Na dia efa vonona ny amin’ny fampivondronana aza ny federasiona, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy, voatery hahemotra izany, raha ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly, Razafinjatovo Jean Honoré. Hihazo an’i Maorisy, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka faritra faha-7 (CCCZone7), avokoa ny ankamaroan’ny mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly ny antony. Tsy afaka ny hanomboka indray, araka izany, ny fampivondronana kasaina hatao amin’ity herinandro ity. Tsiahivina, klioba 4, ka 3 ny vehivavy ary 1 ny lehilahy, no hiatrika ity fifaninanana CCCZone 7 taranja Volley ball hatao any Maorisy ity. Ny GNVB eo amin’ny sokajy lehilahy, ny Stef’auto, ny Bi’As ary ny GNVB kosa ny eo amin’ny sokajy vehivavy. Hanainga amin’ity fiandohan’ny herinandro ity avokoa izy ireo, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny federasiona hatrany. Ny 25 febroary izao no hanomboka ny fifaninanana, hifarana ny 3 marsa.
Ho an’ny taranja Beach Volley kosa, tsy misy fiovana ny programa ho an’ny fampivondronana fa hizotra araka ny tokony ho izy, raha ny fanazavana hatrany.
Mi.Raz