“Tenindreny ibeazana, fanoitra ho an’ny fampandrosoana”. Io no lohahevitra niompanan’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, omaly.
Hetsika marolafy no nanamarihana ny omaly 21 febroary, izay natokan’ny Unesco ho andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny isan-taona. Nisy ny lahateny manokana nataon’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana omaly, mikasika izany.
“Resy lahatra ny rehetra, indrindra ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera fa manan-danja loatra ny fikoloana sy ny fampiroboroboana ny tenindreny, indrindra ny fanomezan-kasina mba hahafahana manome vahana ny politikam-panjakana momba ny teny. Amin’ny maha minisitra tomponandraikitra, hapetrako ho laharam-pahamehana izany, indrindra ny fikoloana sy ny fiarovana ny teny malagasy”, hoy ny votoatin’ny lahateny.
Misedra olana ny teny malagasy
Hiaraha-mahatsapa fa miha mitotongana ny fifehezana ny teny malagasy. Mihazakazaka ny fivoaran’ny teknolojia, izay mitondra famotehana ny teny. Nampitombo ny fahadisoam-panoratra ny teny malagasy ny tambajotran-tserasera, izay be mpampiasa amin’izao fotoana izao. “Olana goavana mamono ny teny malagasy ny fandisoana. Indraindray alaim-panahy ny amin’ ny hoe rehefa azo ny tian-kolazaina dia izay no zava-dehibe. Tsy mitazam-potsiny an’izany ny minisitera fa manao ny asa rehetra ho arofanina sy fanarenana ireo heverina fa lesoka”, hoy hatrany ny minisitra. Anisan’ny ezaka hatao ireo fandaharana hikoloana amin’ny teny malagasy, mandeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana sy anatin’ny tambajotran-tserasera. Eo ihany koa ny fanangonana ireo fikarohana mikasika ny niandohan’ ny teny malagasy nataon’ireo manam-pahaizana, izay harafitra ho boky, tsy ho ela.
Fitaovana mahomby amin’ny fanabeazana
“Tenindreny, ilay teny ifaneraseranao anaty fiarahamonina, ilay niresahan’i Neny taminao hatrany am-bohoka. Mety ho fiteny betsimisaraka, antandroy, merina, tsimihety, frantsay, anglisy, sns, ho an’ny teratany malagasy. Ny ahy kosa ny tenindreny, tenindrazako ihany”, hoy i Hobiana, omaly, nandritra ny vela-kevitra notarihiny omaly, tetsy amin’ny Mozaik Antsahabe.
Teny ibeazana, araka izany ny tenindreny, ary efa niaiky ny Unesco fa io no fitaovana mahomby indrindra hampitana ny fahalalana. “Tompon’andrakitra voalohany amin’ny fiarovana sy ny fampiroboboroana izany ny ray aman-dreny. Manentana azy ireo mba hifampiresaka amin’ny teny malagasy amin’ ny zanaka ao an-trano. Manana andraikitra koa ny sekoly sy ny fiarahamonina, ary indrindra ny fitondram-panjakana. Fitaovana mahomby amin’ny hanelezana fahalalana ny teny malagasy, kanefa ilaina koa ny manao dingana ifehezana ny teny vahiny”, hoy hatrany ny hafatra avy amin’ny minisitra.
Nangonin’i Zo ny Aina