Antenimieran-doholona : fiaraha-miasa amin’i La Réunion

Mamita iraka ofisialy atsy amin’ny Nosy La Réunion ny filohan’ny Antenimiera-doholona, Razafimahefa Herima­nana nanomboka ny 19 febroary teo. Miara-dia aminy ny loholona Eddie Serge Fer­nand sy ny kestiora Manasoa Donat Tang. Maro ny fihaonana sy ny fivoriana ataon’iz6y ireo miaraka amin’ny faritra La Réu­nion, hikarohana ny fiaraha-miasa azo atao eo amin’ny roa tonta. Isan’izany ny fihaonana tamin’ny loholona atsy La Réunion, Rtoa Nassimah Din­dar, sady ny filohan’ny Von­dro­na fifankatiavana Frantsa-Madagasi­ka­ra, ao amin’ny Antenimieran-doholona fran­tsay. Noresa­hana ny lafiny tontolo iainana, ny famatsiana he­rinaratra any ambanivohitra, amin’ny alalan’ny fanodinana ny fako an-tokantrano, ny fa­matsian-dra­no fisotro, ny fambolena ary ny fampiroboroboana ny tanora.
Nohazavain’ny filohan’ny Antenimieran-doholona, Raza­fi­ma­hefa Herimanana ny ezaka lehibe fambolen-kazo natao tany Ankazobe farany teo.
Nisy ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ny re­nioney, ny 21 sy ny 22 febroary. Efa hita ny soritra arahana iarahan’ny roa tonta taorian’ny fivoriana araka asa niarahana tamin’ny mpanolontsaim-paritra La Réu­nion, misahana ny jono sy ny fifandraisana any ivelany.
Nodinihina koa ny sehatra hafa toy ny fambolena ny fizahantany, ny fanodinan-tsakafo, ny angovo, ny fanorenan-trano, ny fanabeazana, ny fikarohana, sns.

Njaka A.

Partager sur: