Egm Madagascar: mifarana ny atrikasa momba ny tsapiky

Tontosaina anio, eny amin’ny G&V inn, Andrefan’ Ambo­hijanahary, ny hetsika “Gitara Malagasy”. Fampi­sehoana hanehoan’ny mpianatra niatrika ny atrikasa nandritra ny roa andro. Hetsika vaovaon’ny EGM-Conservatoire de musique, nanomboka tamin’ity taona ity izy ity. Tanjona ny fampitomboana hatrany ny fahaizana sy fahafehezan’ny Malagasy ny gitara. Tamin’ity volana ity, ny tsapiky sy ny gadona avy any atsimon’i Madagasikara no nentina tao amin’ny atrikasa. Noudou Gui­tar, mpitendry gitara mi­angaly manokana ireo gadona ireo no nitondra izany hetsika izany.
Fampisehoana no hamaranana ny atrikasa niarahana tamin’i Noudou Guitar, nampahafantarana sy nandalinana mahakasika ny tsapiky sy ireo gadona avy any atsimo. Mandritra ny hetsika no hanehoan’ny mpandray anjaran’ny atrikasa ny nampianarina azy ireo nandritra ny atrikasa. Hisy ihany koa ny fampisehoana fahaizana ataon’i Noudouh Guitar ary tsy hadinoina ny fitendrena iarahan’ny mpiofana sy ny mpampiofana. Fampianarana sy fampahafantarana ny tsapiky sy ny gadona avy any atsimon’i Mada­gasikara no namenona ny roa andron’ny atrikasa teny amin’ny foibe toeran’ny EGM. Nisy ihany fifampizarana sy fifanakalozana teo amin’i Noudou Guitar sy ny mpandray anjara tamin’ny atrikasa.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: