Entona nipoaka : lehilahy iray naratra, naiditra hopitaly

Nalefa notsaboina eny anivon’ny hopitaly, ny olona iray naratra mafy vokatry ny fipoahan’ny «bouteille à gaz» tao Mangarano Toamasina, omaly. “Nisy nanary tamin’ireo tavoahangy nisy entona ireo ka nitarika ny fipoahana”, hoy ny eo anivon’ny sampana mpamonjy voina ao Toamasina. Notahirizina tao amina tokantrano iray ireo tavoahangy maromaro misy entona. Kinanjo, nirefotra tampoka izany. Taitra avokoa ireo mponina manodidina. Nijery ny zava-nisy, efa nirehitra ny trano nisy ireto entana ireto. Olona iray tavela tao anatin’ny trano no naratra. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina. Nofehezina ny afo tsy hiparitaka. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana kosa ilay naratra. Kilan’ny afo ny ampahany tamin’ireo ta­voahangy.

Tsiferana R.

Partager sur: