EPP Amboniloha – Canal + : Nisitraka toeram-pamakiam-boky vaovao

Notokanana omaly ny efitrano famakiam-boky vaovao ao amin’ny EPP Amboniloha. Nisitraka izany ireo mpianatra miisa 871 eo anivon’ny sekoly. Nahitana fahitalavitra iray, “décodeur” ahitana fandaharam-piananarana isan-karazana. Teo koa ny boky maro samihafa sy fitaovam-pianarana miisa 155 ho an’ireo mpianatra. Mba hanomanana ny fanadinana CEPE. Tafiditra tao anatin’ny tetikasa “Orphée” izy ity. Nokarakarain’ny Canal + sy ny orinasa Viseo ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hanatsarana ny fampianarana sy hivelaran’ny sain’ ireo mpianatra. «Tafiditra ao anatin’ny veliranon’Iarivo ny fanavaozana sy famatsiana fi­ta­ovana manara-penitra ho an’ireo sekoly fanabeazana fototra eto an-dRenivohitra», hoy ny ben’ny Tanànan’An­ta­nanarivo, Andriantsitohaina Naina.

Hampiakatra ny fahaizan’ny mpianatra
“Irariana ny hampiakatra ny voka-panadinana ho an’ireo mpianatra eo anivon’ny sekoly amin’ny alalan’ny fahazahoana ireo fitoavana ireo”, hoy ny talen’ny EPP Amboniloha, Rakotoarivony Hery. Nilaza izy fa hazoto hianatra sy hamaky boky ihany koa ireo mpianatra. Nohamafisiny fa hanampy tanteraka ny mpampianatra sy ny ankizy eo amin’ny lafiny fampianarana ireo fitaovana ireo.
Marihina fa mbola hitohy ny hetsika ataon’ny fondation Vi­seo eny anivon’ireo toeram-pa­m­pianarana fototra rehetra eto an-drenivohitra. Mba ho fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ha­na­tsa­rana ny fampianarana ary ny kolontsaina ho an’ireo mpianatra. Ankoatry ny EPP Am­bo­ni­lo­ha, anisan’ny nisitraka izany ny ao amin’ny EPP Mana­kam­ba­hiny sy Ankadinandriana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: