Fepetra mialoha ny fampielezan-kevitra: tsy hande­fi­tra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny Ceni

“Azo atao ny mamory olona, fa ny fitandroana fandriampahalemana no fepetra fototra iombonan’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Andraikitra tokony hifampiresahana mandrakariva ny amin’izay famoriana olona izay. Satria indraindray misy fanakantsakanana”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao.
Tsy manana fahefana ny Ceni amin’izay andraikiny amin’ny hoe famorian’ny mpanao politika olona. Ny manara-maso no tena andraikitry ny Ceni, rehefa manomboka ny fampielezan-kevitra. Raha misy ny trangan-javatra mety miseho: raha efa fantatra fa anisan’ny kandidà, ohatra, Rakoto, ka misy mitaona olona sahady hoe fidio izy: afa-mandray fepetra ny Ceni amin’izay fotoana izay. Mety misy ny fanalana an-daharana tsy handray anjara amin’ny fifidianana. Raha marin-pototra ny zava-miseho, tsy handefitra manana ny rariny ny Ceni.

Mila fahazoan-dalana ny famoriam-bahoaka
Toy ny fepetra ankapobeny, mila fahazoan-dalana hatrany ny famoriam-bahoaka. Fandaminana io. Na ny toerana hanaovana famoriam-bahoaka aza, tsy maintsy akana fahazoan-dalàna. Na an’ny fanjakana izany, na an’olon-tsotra. Izay aloha ny lalàna. Na hanao fampielezan-kevitra aza, mila mahazo alalana. Ny prefet hampahafantra izany amin’ny fotoana mahamety azy amin’ny fampielezan-kevitra. Tsy azo atao fitokanana zava-bita mandritra ny fampielezan-kevitra.
Mitovy ny fepetra ankapobeny, na aloha na ao anatin’ny fampielezan-kevitra: ny manompa olona, ohatra, manentana fankahalana na fifandrafiana amin’ny foko… Eo koa ny fanelezana vaovao tsy marina. Voararan’ny lalàna izany. “Tsy voafaritry ny lalàna eto amintsika ny mialoha ny fampielezan-kevitra”, hoy izy. Heverina hoe milamina ny fanazavan-kevitra, rehefa tsy mitaona olona hifidy an-dRanona na Ranona. Izay fitaomana olona hifidy an-dRanona na Ranona izay ny fanazavan-kevitra no tsy azo atao, ankoatra an’ireo fepetra ankapobeny voalaza teo.

R. Nd.

Partager sur: