Tafiditra anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail” (JMCT) ny fiaraha-miasa ho an’ny sekoly teknika iompanan’ny fanohanana. Nanomboka omaly, “hifanampy ny sekoly ambony INTH sy ny Lycée teknika Ampefiloha (LTA) amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ananan’ny roa tonta : laboratoara, efitrano fianarana”, hoy ny tale mpandrindra ny JMCT eto Madagasikara, Rakotondrajaona Luc, omaly, teny Ampefiloha. Nanamafy ny mpitantana ny LTA, Ramiandrasoa Mbola fa mifanakaiky ny sekoly roa ka tsy ho sarotra ny fifanohanana. Samy mifototra amin’ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany ary ny nahandro rahateo ny lalam-piofanana sahaniny. Natao omaly ny fandraketana an-tsoratra ny fifanarahana teo amin’ny telo tonta. Fifanarahana faha-12 tontosain’ny JMCT teto Madagasikara izao ho fanatsarana hatrany ny fahaiza-manaon’ny tanora malagasy rehefa vita ny fianarana. Azo havaozina isaky ny herintaona ny fifanarahana.
Ho fanamorana ny fiaraha-miasa amin’ireo sekoly iantefan’ny tetikasa sy ny rafi-pitantanana misy (minisitera, sehatra tsy miakina…), nanofana mpanamora na mpanelanelana ny tetikasa. Talen-tsekoly teknika, tale jeneraly 17 no voaofana ka izy ireo no hanetsiketsika ny fifanakalozana sy hampaharitra ny tetikasa rehefa hifarana ny taona 2024.
Vonjy A.