« Ireny hirantsika ireny… » : hotsaroana eny an-tsehatra i Gabhy

Efa andrasan’ny olona maro fatratra! Raikitra fa ho­tanterahina, ao amin’ny CCEsca Antanimena ny 4 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ilay seho an-tsehatra ho fahatsiarovana an’i Gabhy. “Ireny hirantsika ireny…”, hiarahana amin’ny tarika Gabhy sy ireo tanora tia ireo hira nokaloiny, ireo sakaizan’ny tarika Kintana Telo, Ny Rabarivola ary i Salomon.
Raha tsiahivina, manana ny nampiavaka azy i Gabhy raha mitaha amin’ireo mpanakanto hafa, noho ny fananany feo manga mahatakatra avo, kanefa afaka midina amin’ny feo ambany ihany koa rehefa nilaina izany. Nanavanana an’i Gabhy ny mihira amin’ny sokajim-peo rehetra afa tsy ny beso . Tsy nahagaga raha nitady azy avokoa ireo mpamoron-kira anisan’ny “goavana” sy ma­nana ny aingam-panahy sarotra hadinoina, toa an’i Louis Rasoanaivo, J J Tsehe­no, Ramaroson Wilson, Ro­land Raelison, André Titys , Dany Ranoa, Noelson Lalao, Rako­tondrazafy Jean Jacques, sns.
Fantatra fa i Noelson Lalao no nampihira an’i Gabhy voalohany fa i Lizah Raseta sy Nr Raseta no tao anatin’ny tarika Gabhy nialohan’ny nahafatesany.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Partager sur: