Ivato : sarona ireo telo lahy mpivarotra rongony

Mpivarotra rongony telo lahy indray voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava-mahadomelina tetsy Ivato K5, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo loharanom-baovao tamina tomponandraikitra iray ao an- toerana ny polisy momba ireto mpivarotra rongony ireto. Nidina tampoka, tra-tehaka teo amin’ny faritra voatondro tokoa ny telo lahy. Natao ny fisavana, nahitana fonosana rongony 32 isa teny amin’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana, niaiky ireto farany fa midoroka sy mivarotra ireto rongony teny aminy ireto. “Amidin’ireto voasambotra ireto 2 000 Ar ny fonosana iray”, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Nen­tina natao famotorana izy ireo ka natolotra ny fampanoavana taorian’io. Nogiazana kosa ireo rongony.

Tsiferana R.

Partager sur: