Jly Rakotoarijaona Josoa: “Mitohy ny ady amin’ny famerenana ny fandriampahalemana”

Mitohy ny asa, indrindra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana fa ny akaiky ny fiatrehana ny rivodoza Freddy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa…

“Laharam-pahamehana daholo ny zava-drehetra mahakasika ny firenena. Ny akaiky indrindra sady maika dia ny fiatrehana ny rivodoza Freddy vinavinaina hiditra an-tanety anio alina (omaly io)”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa nandritra ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny MDN teo aloha, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly, teny Ampahibe. Maro ny zava-bitan’ny minisitra teo aloha ka hotohizana sy hatsaraina hatrany izany araka ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repob­lika amin’ny famerenana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Nohama­fisiny koa fa ny “Forces de Défense et de Sécurité” ahitana ny Tafika, ny zandarimariam-pirenena ary ny polisim-pirenena dia natao hampandry fahalemana manerana ny Nosy. No­marihiny fa tsy miady amin’ olona ny mpitandro filaminana fa mampanara-dalàna ny rehetra. “Efa misy koa ny paikady hapetraka manoloana ny zava-misy momba ny tsy fandriampahalemana sy ny fangalarana taova nalaza tato ho ato tany atsimon’ny Nosy”, hoy ny MDN vaovao. Nankasitraka ny filohan’ny Repoblika ny MDN teo aloha tamin’ny fametrahana fitokisana taminy nandritra ny fe-potoana niasany. Naharitra 4 taona sy sivy volana ary 23 andro ny nitantanan’ny Jly Rakotonirina Richard ity minisitera ity. Nampiavaka azy ny fametrahana ny fanitsian-drafitry ny Tafika. Marihina fa efa nitazona andraikitra maro teo anivon’ny Tafika ny Jly Rakotoarijaona Josoa. San­ti­o­nany amin’izany ny taona 2004, kaomandin’ny Bataillon Re­camp, kaomandin’ny Semipi Fianarantsoa, ny taona 2012, talen’ny Ecole d’Etat-Major Fiadanana ny taona 2016. Nanotrona ny famindram-pitantanana ity koa ny Seg, ny Jly Serge Gellé niaraka tamin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, Sahivelo Monja Delphin.

Jean Claude

Partager sur: