Tsy nahazo alalana handray lalao iraisam-pirenena ny kianjan’i Bangui Centre Afrique. Nampindrana ny kianja Douala, any Cameroun ho an’ny Federasion’i Centre Afrique taranja baolina kitra (FACF) i Samuèl Eto’o, filohan’ny Federasiona Kameroney. Natao handraisan’izy ireo ny lalao miverina hihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy i Centre Afrique, ny 27 marsa ho avy izao.
Efa nandefa ny taratasy fangatahana mahakasika izany tany amin’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) i Eto’o sy ny FACF. Andrasana anefa ny fanapaha-kevitry ny Caf manoloana izany. Tsiahivina fa efa nandray lalao iraisam-pirenena maro ny kianja Douala, indrindra fa ny fifaninanana izay ho tompondakan’i Afrika (Can), ny taona 1972 sy ny 2021. Mahazaka mpijery maherin’ny 30.000 isa ity kianja ity.
Fitia
(Mpianatra asa)
Burkina Faso, Botswana, Burundi, Cap-Vert, Centre Afrique, RD Congo, Eswatini, Ethiopie, Gambie, Guinée, Guinée Bissau, Kenya, Lesotho, Libérie, Mozambique, Namibie, Niger, Rwanda, Sao Tomé, Sierra Leone, Soudan du Sud, Soudan, Ouganda, Zimbabwe.