Nisy atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, momba ny Tolotra atao eo amin’ny tsenam-panjakana (Marché public) nanomboka ny 20 hatramin’ny anio 22 febroary 2023 teto Antananarivo. Atrikasa mandritra ny telo andro ho fanofanana ara-teknika ireo mpikambana ao amin’ny Komitim-pirenena momba ny tsena (Commision Nationale des Marchés)
Fanofanana ara-teknika mifantoka bebe kokoa amin’ny « digitalisation » hanarahana ireo antontan-taratasin’ny mpandraharaha mangataka tsenam-panjakana avy amin’ny tolotra nataony. « Izao no atao mba hisorohana ny kolikoly, hitovy daholo ny fomba fanarahana ireo antontan-taratasy. Ny tsirairay samy manana fomba hoenti-miasa, amin’ny saina sy fitaovana”, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, Rabarinirinason Rindra Hasimbelo.
Koa ao anatin’ny telo andro, 265 ireo mpandray anjara avy amin’ny foibe sy avy any amin’ny faritra ao amin’ny CNM, manaraka fiofanana manamafy ny fahaizan’izy ireo, indrindra mampitovy ny fomba fanao amin’ny fanaraha-maso ny tsenam-panjakana manerana ny Nosy.
Atrikasa tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Sampandraharaha momba ny informatika ao amin’ny minisitera (DSI). Ahitana fandraisan’anjara ny filohan’ny CNM, Randrianarison Sitraka Tsitohaina ; ny lehiben’ny fanaraha-maso ; ireo lehiben’ny komity avy any Vakinankaratra sy Analamanga, ny talen’ny tetibola, ny talen’ny fananam-panjakana, ny tale momba ny karama sy fisotroan-dronono.
Napetraky ny minisitera any amin’ny faritra amin’ny alalan’ny “Procurement Review System” (PRS) ireo fitaovana samihafa hampandeha tsara ny asa, toy ny “laptops”….
Ndrina