Minisitra Andre Haja Resampa: hanohy sy hanatanteraka ny asa efa natomboka

Nanome toky ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, i Andre Haja Resampa, fa hanohy izay ezaka rehetra nataon’ny minisitra teo aloha, i Tinoka Roberto sy ny ekipany. Nivoitra izany nandritra ny fifamindram-pahefana, omaly, teny Ambohijatovo.

Andraikitra goavana miandry ny lalaon’ny Nosy, hatao afaka 6 volana. “Tsy mora izany andraikitra izany ary fohy ihany koa ny fotoana”, hoy ny nambaran’ny minisitra Andre Haja Resampa. Na izany aza anefa, nanome toky izy, fa tsy handraraka ilo mby an-doha ny ezaka efa nataon’ny teo aloha. Tsy ny lalaon’ny Nosy ihany no himasoana fa eo koa ny fanomanana sy fanohanana ny atleta amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena sy na­sionaly rehetra ho avy.
Hanampiana ny fananganana fotodraditrasa araka ny efa voalazan’ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika. Tsy ho ataon’ny minisitra Andre Haja Resampa ambanin-javatra ny tanora fa homena ny lanjany tanteraka mandritra ny 10 volana hitantanany ity minisitera ity. Zava-dehibe ny fisokafana amin’ny rehetra mba hahitana vokatra. “Misokatra ho an’ny federasiona tsy an-kanavaka ny varavarana ary ho an’ny tombontsoan’ny atleta sy ny fanatanjahantena malagasy izany”, hoy ny nohamafisiny.
Tetsy ankilany, nisaotra ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny minisitra teo aloha, Ti­noka Roberto, tamin’ny fa­hatokisana napetrak’izy ireo nandritra ny 4 taona. Maro, hoy izy ny zava-bita sy na­namarika ary tena tsapany fa manan-danja eto amin’ny firenena ny tanora sy ny fa­natanjahantena. “Fitaova­na lehibe mampiray ny malagasy sy mampisy fiombonam-po ny fanatanjahantena, tanteraka ny veliranon’ny Filo­ha”, hoy ny nambarany.
« Niakatra ambony ny fanatanjahantena malagasy tao anatin’izay 4 taona izay. », hoy izy ary misandratra manerana ny ranomasimbe indiana sy eto Afrika ary eran’izao tontolo izao i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny vokatra tsara nentin’ny atleta malagasy. Fani­rian’ny minisitra Tinoka Ro­berto ny hitohizan’izany. Tsy nanadino ny nisaotra ny mpi­ara-miasa taminy teo anivon’ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena, ity minisitra teo aloha ity.

Mi.Raz

Partager sur: