Minisitra Andriamanampisoa Soloniaina: hapetraka ny foibe herinaratra 36 avy amin’ny masoandro

Natao, omaly teny Ampandrianomby, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Angovo sy akoranafo Andriamanampisoa Soloniaina Rasamoelina, vao notendrena, handimby an-dRamaroson Andry. Nitanisa ny fanambiny ny minisitra vaovao.

Nilaza ny minisitry ny Angovo teo aloha, Ramaroson Andry, fa misy ny fotoana fanombohana, ary tsy maintsy misy ny fiafarany. Koa, nahafaly azy ny nampita ny fahefana amin’ny minisitra handimby azy. « Toy ny baolina kitra io, somary reraka angamba ny tenako, ka inoako fa hitondra aina vao indray ianao. Tsy olom-baovao ianao, fa efa niaraka foana isika. Maro ny olana ara-bola iainan’ny Jirama, eo koa ny famatsiana solika azy, ny Ader, sns. Saingy soa, fa manam-pahaizana momba ny finansa ianao », hoy ihany izy.
Nanamafy izany ny minisitra vaovao, Andriama­nam­pisoa Soloniaina, satria filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama izay sady miahy vonjimaika ity orinasam-panjakana ity rahateo. « Tanjoko ny hitondra ny baolina any anaty harato », hoy izy.

Fampidiran-jiro tokantrano 1 hetsy
Maromaro ny fanamby napetrany, hanatanterahana ny velirano faha-2 napetraky ny filoham-pirenena. Hapetraka mialoha ny faran’ny volana aogositra 2023 ireo foibe mamokatra herinaratra any amin’ny renivohitry ny distrika miisa 36. Tohizana ny fampidiran-jiro ho an’ny fianakaviana sahirana, « branchement mora », ka tokantrano miisa 100.000 no ho tratrarina amin’ity taona ity amin’ny tanjona 170.000. Eo koa ny fizarana jiro mandeha amin’ny masoandro miaraka amin’ny kojakoja miisa 1.000.000.
Notsipihin’ny minisitra fa hisy ny fanomezana jiro ma­nazava ny elakelan-trano any amin’ireo kaominina an-tanàn-dehibe, hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Hifampiraharaha amin’ny olon-tsotra tompon-trano ny minisitera, ahafahana mametraka ny jiro amin’ny tranony.

Antso firotsahana iraisam-pirenena
Mikasika ny Jirama, nilaza ny minisitra Andriamanam­pisoa Soloniaina, fa misy ny dinika iarahana amin’ny mpi­ara-miombon’antoka vahiny, hanaovana antso iraisam-pirenena firotsahana ho tale jeneralin’ity orinasa ity. Ho havaozina haingana koa ny sata mifehy ny herinaratra (Codelec), mba ahafahan’ny mpandraharaha tsy miankina mandray anjara amin’ny fanapariahana ny herinaratra ma­nerana ny Nosy. Hahitsy koa ny fomba fiasan’ny Antokon-draharaha mandrindra ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra (Ader).

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: