Minisitry ny Atitany : “Efa alefa mialoha ny fanampiana”

“Alefa mialoha ireo fa­nampiana eritreretina omena an’ireo izay mety ho traboina vokatry ny fandalovan’io rivodoza io. Efa manao an’izany ny BNGRC amin’izao fotoana izao”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, teny Antanimora, afakomaly. Mametraka ny tahiry amin’ireo toerana efa fantatra mialoha fa handalovan’ny rivodoza ry zareo. Miaraka amin’izany ny fiomanana amin’ny trano handraisana an’ireo traboina, vokatry ny rivodoza handalo izay. Eo indrindra koa ny fijerena ny tahirina fanampiana. Mila fantarina avokoa ny tahirina sakafo sy ny kojakoja ilaina andavanandro eny amin’ny distrika sy faritra tsirairay.
Tokony hiomana koa ny vahoaka, indrindra amin’ny fanaraham-baovao andro aman’alina. Na amin’ny radio sy televiziona izany, na tambajotran-tseratsera sosialy, na filazana samihafa. Mba hahafantarana ny fizotran’ny rivodoza sy ny toerana misy azy. Eo koa ny fandaminana rehefa misy ny fanentanan’ny tomponandraikitra. Ireo olona mipetraka amin’ny toerana iva, ohatra: tokony hiakatra amin’ny toerana avo mba hiarovana amin’ny fiakaran’ny rano sy ny loza mety haterak’izany.

R. Nd.

Partager sur: