Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika fa voarara manomboka izao ny fanaovana “bizutage”. Toy izany koa ny hetsika rehetra fanaon’ny mpianatra tranainy handraisana ireo mpianatra vaovao manerana ny oniversite sy IST rehetra miankina amin’ny fanjakana.
Toraka izany ny karazana fifaninanana rehetra ara-kolotoraly na ara-panatanjahantena mety hiteraka fifandirana eo amin’ny samy mpianatra sy samy hafa fiaviana. Ny karazana fifaninanana amin’ny alalan’ny dihy na hetsika manindrahindra ny isam-paritra sy fiaviana dia voarara avokoa.
Noraisina ny fanapahan-kevitra noho ny toe-draharaha mateti-pitranga eny amin’ny Campus-n’ny oniversite izay miteraka savorovoro eo amin’ny samy mpianatra sy ny fanimbana fotodrafitrasa. Anisan’ny tranga farany teo ny niseho teny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra ao Ambondrona Mahajanga izay nahamay fotodrafitrasa.
Nanamarika kosa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika fa azo atao tsara ny hetsika hikambanan’ny rehetra izay tsy mivoy firazanana na fiaviana na foko. Ohatra
amin’izany ny kolontsaina malagasy.
Ny hetsika ara-tsosialy sy kolontsaina ary ara-panatanjahantena rehetra kasain’ny mpianatra hatao kosa dia tsy maintsy mahazo alalana mialoha avy amin’ny filohan’ny oniversite na ny tale jeneralin’ny IST vao azo tanterahina. Ny fikambanana isan-tsampam-pianarana no manatanteraka izany.
Tatiana A