Mbola tsy sitrana ny fery navelan’i Batsirai, efa nanao ny nataony koa ity ingahy Freddy. Mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny hetraketraky ny natiora ny vahoaka malagasy. Maro ny rava fananana, betsaka ny tanàna efa dibo-drano. Ho maro ny traboina. Raha ny tombantomban’ny manampahaizana, mety hahatratra 2 tapitrisa ny olona ho voakasiky ny takaitra avelany. Manoloana ny loza, anatin’ny fiatrehana azy ny herivelona rehetra, indrindra ny any ifotony.
Andrasana ny vokatry ny fandalovany amin’ny faritra manerana ny Nosy, anio. Na inona na inona takaitra, vanim-potoana tsy maintsy hanehoana ny fifanohanana sy ny firaisankina izao. Tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny, amin’izay tsy fahatomombanana izao. Antony, tsy amin’ny fotoanan’ny loza ihany vao tokony haka fepetra sy hitandrina ny rehetra. Nosy rahateo, tsy afa-bela amin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza i Madagasikara. Midika izany fa mandavan-taona ny fiomanana.
Ahina hampirongatra ny olana sosialy samihafa ny fiantraikan’i Freddy. Ny fidangan’ny vidim-piainana tsy lazaina intsony, ny tsy fandriampahalemana mampametra-panontaniana, ny fambolena hanao akory ? Henjankenjana ny miandry ny Malagasy rehetra. Tsy misy faritra na iray aza, mety ny ho afa-bela. Mifampiankina ny sosialy sy ny toekarena amin’ny distrika 119 misy eto amintsika. Trano atsimo sy avaratra rahateo, hoy ny Ntaolo, izay tsy mahalen-kialofana, tanan-kavia sy havanana, iray didiana maharary ! Tsy maintsy izay firaisan-tsain’ny Malagasy izay indrindra no ilana ny mpitondra.
Marina, nisy ny rivodoza politika mahakasika ny governemanta, afakomaly. Nampiaka-pofona sy ny fahatezeran’ny mpitolona ifotony, izay namono tena ho an’ny filohan’ny Repoblika. Tsy tokony hatao ho fialana bala amin’ny mety tsy ho fahombiazana sy ny vahaolana petatoko anefa izany. Anisan’ny fositra matetika, manimba ny sosialy sy ny toekarena eto Madagasikara ny politika sy ny filalaovan’ny mpitondra azy. Ny mpanohitra rahateo, tsy hita ny toerana tena misy azy. Tsy mahagaga satria mpitondra very seza ihany ny mpitarika.
Entanina, araka izany, ny eny anivon’ny fiarahamonina, ny sarambabem-bahoaka mba haka ny andraikitra manandrify azy. Tsy misy azo ianteherana amin’ny famahana ny olana raha tsy miainga avy amin’ny tsirairay.
r.r