Rivodoza Freddy: nihena ny heriny fa mbola 155 km isan’ora ny rivotra entiny

Omaly tamin’ny 3 ora teo, tany amin’ny 140 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Mananjary
no nisy ny foiben’i Freddy.

Nisy fihenana hatrany ny heriny fa mbola rivodoza mahery izy. Taorian’ny fidirany an-tanety, hamakivaky ny afovoan-tany izy halina ary tombanana hi­voaka any amin’ny Lakan­dranon’i Mozambika ao amin’ ny faritra Atsimo Andrefana, anio tolakandro.
Nanomboka nitoetra amin’ ny morontsirak’i Vatovavy, Fitovinany sy ny distrikan’i Mahanoro ary Anosibe An’ala ny rahona miaraka amin’ny rivodoza Freddy. Niharatsy ny toetry ny andro amin’ny mo­rontsiraky ny faritra Vatovavy, Fitovinany sy Atsinanana nanomboka omaly tolakandro, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Tamin’ny 10 ora maraina, niova miloko mena (loza mitatao) ny filazana loza amin’ireo faritra sy distrika raha efa nahazo filazana loza fanairana miloko maitso sy mavo. Nihena ny heriny ka niverina ho rivodoza mahery izy. 155 km isan’ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 220 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nidi­tra an-tanety ao amin’ny distrikan’i Mananjary izy halina ka vinavinaina hijanona amin’ io ny rivotra miaraka aminy. Nikija ny orana (mihoatra ny 200 mm), naheribe ( mihoatra ny 8 metatra) ny ranomasina ary niakatra ny ranomasina, indrindra manamorona ny faritra nidirany an-tanety.

Filazana fanairana ho an’Analamanga
Nahazo filazana loza mitatao : Vatovavy, Fitovinany, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, distri­kan’i Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampotsy ary Marolambo. Filazana loza manambana: Atsimo Atsina­nana, Vakinankaratra, ny dis­trikan’Anosibe An’Ala, Bri­ckaville, Toamasina I-II, Ma­habo, Manja, Morondava, Beroroha, Ankazoabo, Saka­raha, Morombe Ary Toliara I-II ary filazana fanairana ho an’ Analamanga, Itasy, distrikan’i Moramanga, Miandri­vazo ary Belo Tsiribihina.
Momba ny toetry ny andro anio maraina, hikija ny orana any Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe ary Ifanadiana. Mety hihoatra ny 150mm ny rotsak’orana ao anatin’ny 24 ora. Hanorana malefaka na matevina any Menabe, Bon­golava, Itasy, Vatovavy, Fito­vinany ary Atsimo Andrefana. Handrahona na hanjombona mety harahina orana malefaka any Analamanga sy Mangoro. Ho maina amin’ny ankapobeny ny faritra hafa.
Ny tapak’andro hariva, tombanana mbola hijojo ny orana any Menabe, Bongo­lava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe ary ny tapany avaratry ny faritra Atsimo Andrefana. Hanoram-pahavaratra any Melaky, Sofia ary Diana. Hitoetra ny rahona arahina orana malefaka any Analamanga. Hifan­dimby ny rahona sy ny ma­soandro any amin’ny faritra sisa. 17- 28°C ny maripana eto Antananarivo.

Vonjy A.

Distrika 3, faritra Vatovavy 7 200 ny olona nafindra toerana mialoha

13 ny toeram-pandraisana ireo traboina na ireo olona voatery miala amin’ny tranony mandritra ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ao amin’ny distrikan’i Mananjary. 30 kosa ny tranon’olon-tsotra afaka mampiantrano vonjimaika ny mpiara-belona raha ilaina, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, nomen’ny mpiasan’ny BNGRC . Nanomboka nitsoka mafy ny rivotra ary avy ny orana tamin’ny 12 ora antoandro, omaly. Misy ny mponina efa namonjy ny toeram-pandraisana voaomana mialoha, hisorohana ny loza. 7 200 izy ireo, araka ny tatitra azo omaly tamin’ny 4 ora hariva. Voakasika ny distrika telo: Ifanadiana sy Mananjary ary Nosy Varika anatin’ny faritra Vatovavy. Ao an-tampon-tanànan’i Mananjary, efa niakatra ny rano, misy ny lalana tapaka sy ny hazo nidaraboka vokatry ny fitsokan’ny rivotra mafy.

Nikatona ny sekoly tao Maorisy sy La Reunion
Tany amin’ny 120 km avaratry ny Nosy Maorisy no nisy ny foiben’i Freddy ny alatsinainy teo, hoy ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro ao Maorisy. Nitondra orambe niaraka amin’ny rivo-mahery tany an-toerana ity rivodoza ity ka nakatona aloha ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny tapak’andro maraina. Niato ny fampianarana any Maorisy, omaly, fa ireo mpiasa sy mpitantana ny sekoly no nantsoina hijery ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza amin’
ireo fotodrafitrasa. Voalazan’ny tomponandraikitra fa maro ny olona nandeha tany amin’ny toeram-pandraisana voaomana.
Ao La Réunion, foana ilay filazana fanairana volomboasary (orange) satria niha nanalavitra ny Nosy La Réunion i Freddy, omaly maraina, mbola nitohy ny rotsak’orana. Tsy dia navesatra ny takaitra, saingy betsaka ny hazo nidaraboka amin’ny tany, ny herinaratra tapaka ary tsy azo nivezivezena ny lalana sasany. Mikatona ihany koa ny toeram-pampianarana rehetra, omaly.

Vonjy

Partager sur: