Marobe ireo sekoly mampiantrano ireo olona traboina rehefa fotoanan’ny rivodoza toy izao. Nanentana ny minisiteran’ny Fanaberazam-pirenena fa tokony hanaja ny fotodrafitrasa ireo olona traboina raisina amin’ireny sekoly ireny mba tsy hisian’ny fahasimbana.
Mila hajaina sy arovana ny fitaovana toy ny boky sy ny dabilio satria mbola hianaran’ny mpianatra izy ireny rehefa miverina amin’ny laoniny ny fampianarana.
Nanome toromarika ny tomponandraikitra eny anivon’ny sekoly ny minisitera, amin’ny fiomanana tokony hatao mialohan’ny hahatongavan’ny rivodoza, ny hanapahana ny hazo mety hitera-doza ho an’ny mpianatra na ho an’ny sekoly. Eo koa ny fanindriana ny tafo amin’ny fasika mba tsy ho lasan’ny rivotra, fanaovana tata-drano …
Nilaza ny minisitera fa miverina avy hatrany ny fampianarana ho an’ireo sekoly tsy nahitana fahasimbana aorian’ny fandalovan’ny rivodoza.
Marihina fa ireo rantsa-mangaikan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena isaky ny faritra no mandray ny fepetra hampitohy na hampiato ny fampianarana mialoha sy aorian’ny fandalovan’ny rivodoza.
Tatiana A