Nisongadina tamin’ny tatitra tao amin’ny efitrano malalaky ny fitsarana ambony Toamasina ny momba ny asa vita sy ny vina ho an’ny taona 2023 teo anivon’ny fitsarana misahana ny ady ara-bola. Nilaza ny filohan’ny sampam-pitsarana ny tsy maintsy hitsarana ny raharaha kaominina Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana. Nisy ny fitsirihina nataon’ny fitsarana misahana ny ady ara-bolam-panjakana taorian’ny fitokonan’ny mpiasa. Antony, noho ny tsy fandraisan’izy ireo karama mandritra ny volana maromaro tao amin’ny kaominina. Teo koa ny fanapahana nataon’ny filankevitra kaominaly ny hampiato ny ben’ny Tanàna tamin’ny asany. Ho an’i Toamasina, nanaovan’ny fitsarana misahana ny ady ara-bola ny fiakarana telo avo heny ny isan’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina. Tsy mifanaraka ny fidiram-bolan’ny kaominina sy ny fisian’ny mpiasa matoatoa. Eo koa ny fomba fampidirana mpiasa an-tselika sy raikitra raha ny nambaran’ny filohan’ny fitsarana nanao tatitra ny fanadihadiana eo anivon’ny fitantanana ny mpiasa. Fantatra nandritra ny fanakatonana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pitsarana taona 2022 sy fanokafana koa ny taom-pitsarana vaovao 2023.
Sajo