Natao, omaly, ny fanomezan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana (Usaid), fitaovana samihafa ho an’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE). Nampiasaina tamin’ny tetikasa Hay Tao, izay efa tapitra ny fe-potoam-piasana ireo fitaovana ireo, ahitana kojakoja birao (latabatra, seza, sns), fitaovana informatika (ordinatera, écran plat, projetcteurs, sns).
Fa ny tena zava-dehibe amin’ireo fampitaovana koa dia ny antontam-baovao sy antontan-kevitra informatika marobe, manodidina ny tontolo iainana, nomena ny anarana vaovao hoe «Hay natiora». Hita ao daholo ny mikasika ny tontolo iainana toy ny momba ny tontolo mananaina, ny momba ny faritra arovana, sns. Eo koa ny seha-pihariana isan-tsokajiny, toy ny fambolena, ny fiompiana, ny harena an-kibon’ ny tany, ny indostria, sns. Tanjona ny hitantanan’ny ONE maharitra ireo antontan-kevitra sy antontam-baovao nampiasain’ny Hay Tao.
Nilaza ny tale jeneralin’ny ONE , Rakotoson Rija, fa azon’ny rehetra ampiasaina ireo antontam-baovao ao anatin’ny Hay Natiora. Isan’izany ny mikasika ny toerana ahitana doro tanety, ohatra, ahafahana mampandre ny sehatra voakasika, ahafahana mandray andraikitra araka izay tandrifiny azy avy. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ny Usaid, Rtoa Anna N. Williams, nilazany fa ho haingana kokoa ny fandraisana fanapahan-kevitra rehefa misy ny antontam-baovao niomerika toy izao.
Njaka A .