Volley – CCCZone7 : vonona ny klioban’ny GNVB

Hanainga rahampitso ny ekipan’ny GNVB (Gendarme­rie Nationale de Volley-Ball), hiatrika ny andiany faha-27 ny fiadiana ny amboaran’ny tarika tompondaka aty amin’ny faritra faha-7. Vonona tanteraka ireo mpilalao, raha ny nambaran’ny filohan’ny klioba, Chef d’Escad­­ron, Comman­dant For­tunat, tetsy Ankoron­drano, omaly.
Mpilalao 12 eo amin’ny lehilahy ary 9 kosa ny vehivavy, miampy ireo mpitarika ny mandrafitra ny delegasion’ny GNVB hihazo an’i Maorisy. Fifaninanana hanomboka amin’ny 25 febroary izao. « Afaka mampijoro ireo zandriny ha­nampy ny zokiny amin’ity fifaninanana ity ny GNVB ka azo antoka fa handrafitra ny ekipam-pirenena ny akamaroan’izy ireo », hoy ny fanazavan’ity filohan’ny GNVB ity.
Tombony ihany koa ny nahafahana nanao fanazarantena tao anaty efitrano. « Nanao ny ezaka rehetra isika, ka raha ny fijery mahitsy dia hitondra amboara na ny lehilahy na ny ekipa vehivavy », hoy hatrany ny Chef d’Escadron, Comman­dant Fortunat. Nanamafy izany ny Tale tekinika nasionaly, Razafinjatovo Jean Honoré.
Efa nanomboka tamin’ny oktobra ny fanomanana, hoy izy, niato kely tamin’ny fetin’ny krismasy sy ny taom-baovao ary niverina indray tamin’ny 5 janoary hatramin’izao. Ity Tale teknika nasionaly ity no notendren’ny GNVB hanazatra ny klioba amin’ity. « Vonina­him-pirenena no arovana, ny lehibe no manendry ny tena hoe mitondra ny klioba amin’ity andiany faha-27 ity, asa anatin’ny zandarmaria tsy azo lavina », hoy ny nambarany.

Mi.Raz

Partager sur: