Aiza ho aiza ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin’izao? Maneho ny heviny ny sekretera mpanatanteraky ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Andriamoraniaina Niaina Harijaona : “Raha izao no mitohy, mety tsy vahaolana indray ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*) : Ny fahitanareo ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy?
Andriamoraniaina Niaina Harijaona (-) : Nanara-maso teny anivon’ ny distrika 88 izahay, nahazoana antontam-baovao: maro ireo tsy nahatratra ny 50% hatramin’ny 31 janoary. Anisan’ny antony ny fanombohana ny fanisana mpifidy, tsy niara-niainga tamin’ny 1 oktobra 2022. Misy tara tapa-bolana, na mihoatra aza. Eo ny tsy fahampian’ny fitaovana, ny tsy fahampian’ny fanabeazana olom-pirenena, ny fahavitrihan’ny olom-pirenena hisoratra anarana…
Eo koa ny tsy fahatokisana an’ireo mpitarika politika: tsy tena mamaly ny filan’ ny olom-pirenena, rehefa mahazo fitondrana. Lasa kivy ny olom-pirenena: inona no hanaovana fifidianana sy hifidianana? Manao fampanantenana poakaty ireo olom-boafidy rehefa avy eo, fa tsy mahatanteraka ireo fanamby nampanantenainy nandritra ny fampielezan-kevitra.
Misy ny tsy fahatokisana ny rafitra mpikarakara fifidianana, mahatonga fisalasalana: ahoana ny fandehan’ny fifidianana, raha ny rafitra ara-dalàna, ny Ceni amin’izao, ohatra, no mitantana izany? Misy ny tra-pahasahiranana, ka sarotra ho azy ny miandry mpanisa mpifidy ao an-trano na hisoratra anarana any amin’ ny fokontany. Betsaka ny mpanisa mpifidy (AR) na ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) tsy nahatratra olona an-trano amin’ny fanisana mpifidy.
* Inona no hanarenana an’izay?
– Tokony hoentanin’ny Ceni, miara-miasa amin’ny rafi-pitondrana, ny olom-pirenena hisoratra anarana. Na ny haino aman-jerim-panjakana aza, izay andoavantsika vola ny fampiasana azy: tsy tena mandefa fanentanana maharitra sy matetika ny amin’izany. Ny Ceni ve no tsy manana fandaharana halefa sa ny mpitondra na mpitantana haino aman-jerim-panjakana no tsy manome sehatra azy amin’izany?
Raha ny tokony ho izy, manomboka izao ny fanomezan-tsehatra ny Ceni hampiasa ny haino aman-jerim-panjakana handefasana ny dingam-pifidianana rehetra, fa tsy amin’ny fampielezan-kevitra. Ny fanavaozana lisi-pifidianana no tena manan-danja indrindra. Ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana no anisan’ny olana lehibe tamin’ny fifidianana farany. Raha izao no mitohy, mety tsy vahaolana indray ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana fa mety hitarika olana toy ny teo aloha.
* Ary ny eo anivon’ny firaisamonina sivily?
– Hanohy ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra amin’ny fanabeazana ny fanentanana olom-pirenena handeha hifidy izahay, indrindra hisoratra anarana… Raha tiana ny hanana safidy amin’izay ho mpitondra, tokony hisoratra anarana ny tena. Raha misy koa ny tsy tiana hitondra firenena, tokony hisoratra anarana koa ny tena. Manjary very zo amin’izay safidy izay, raha tsy ao anatin’ny lisi-pifidianana. Raha misy tsy fahafaliana, tokony hisoratra anarana ihany ny tena: mety manao vato fotsy na vato maty, ohatra. Tokony hatao vaindohan-draharaha ny fisoratana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, fa tsy mijery izay mirotsa-kofidina na tsia. Ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena no tokony hibaiko.
Nangonin’i R. Nd.