Fanovana fomba fiasan’ny governemanta : notakin’ny filoha vokatra anaty fe-potoana ireo minisitra

Niarahaba ireo minisitra, mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Natsidiny sahady koa anefa ny fomba fiasa vaovao, manomboka izao ka nanafarany ireo minisitra tsirairay avy.

Nambarany tamin’izany fa tsy maintsy mametraka tetiandro avy izy ireo ka ho tsapa sy ho hita anatin’ny telovolana sy enim-bolana ny vokatr’izany. “Mi­taky vokatra tsara sy mahomby ary miantraika mivantana any amin’ny vahoaka ny asa ataon­tsika. Hanamaivanana ny fa­ha­sahiranan’ny vahoaka”, hoy izy.

Fomba fiasa haingana anatin’ny fotoana fohy

Nanteriny fa tsy maintsy hampahafantarina ny vahoaka ny asa atao anaty fohy ezaka sy ny hotanterahina avy ha­trany.
Noraisiny ho ohatra fa tokony ho fantatry ny vahoaka ny fanombohan’ny fanamboarana ny lalam-pirenena rehetra (RN7, RN2, RN44…). Ny tetiandro rehetra momba izany ary ao anatin’ny mangarahara tanteraka izany, araka ny nambarany.
Eo koa ohatra ny momba izao fiatrehana ny voka-dratsy sy ny takaitra navelan’ny ri­vodoza izao. “Mitaky fomba fiasa haingana sy anatin’ny fotoana fohy izany, indrindra ny fanampiana ireo traboina”, hoy ihany ny filoha. Namba­rany fa hitsidika avy hatrany ireo faritra voa mafy, nolalovan’iny rivodoza iny ny te­nany, tsy ho ela.

Hanana fandaharana amin’ny RNM/TVM ireo minisitra

Tsy vitan’izany fa hanana fandaharana manokana eo anivon’ny haino aman-jerin’ny fanjakana (TVM/RNM) ireo minisitra tsirairay avy isaky ny herinandro. Natao hampahafantarana ny vahoaka ny asa atao sy ny paikady ary ny vinan’ny departemanta tsirairay izany, araka ny namba­rany. Notakiny amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ny maha zava-dehibe ny fanatanterahana ny andraikitra nankinina amin’ny tena.
Notsindriny mialoha izany fa natao ny fanovana ny minisitra ho fanatsarana sy hanafainganana ny asa sy ny tetikasa mba hanasoavana ny vahoaka. Notsiahiviny fa zava-dehibe ny fanoratana ny tantara eo anivon’ny minisitera tsirairay.
Notakiana toetra mendrika

Eo koa anefa ny nananterany fa tsy olom-pirenena tsotra intsony izao ireo minisitra. “Manana adidy sy andraikitra manokana ianareo ka mitaky toetra mendrika sy fitantanana mahitsy izany. Ny fahaizana mandanjalanja ny fihetsika sy ny fiteny ary koa ny fanatanterahana ny velirano”, hoy izy.
Niroso avy hatrany amin’ ny famelabelaran’ireo minisitra vaovao ny fomba fitantanany sy ny fomba fiasany ary koa ny fanamby apetrany ny fihaonana avy eo. Samy nanao izany, nandritra ny 10 minitra avy nanoloana ny praiminisitra sy ny filohan’ny Repoblika izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: