Fiofanana any Chine : niatrika fitsapana ny atleta malagasy

Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fiofanana hatrehan’ny atleta malagasy any Chine. Antony, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Niatrika fitsapana izy ireo, nanomboka ny alatsinainy teo, nialoha ny hidirana amin’ ny kotrana. Natao izany fi­tsapana izany hahafantaran’ ireo mpampiofana ny haavo teknikan’ny atleta tsirairay. Efa hitan’ny mpampiofana sahady ny fahavitrihan’ireto tanora malagasy ireto, nandritra izay 2 andro izay, raha ny nambaran’ny mpitarika ny delegasiona.
Mahakasika ny fitsapana natao, ny “Épaulé”, “arraché”, “attraction de bras”, “parallèle”, “vitesse”, ary ny “détente” no nasaina nataon’ny mpi­bata fonjamby. Halavirana 60m sy 150m kosa ho an’ny taranja atletisma. Eo amin’ny fanazaran-tena kosa, maha­ritra ora 6 isan’andro izany, manomboka amin’ny 8ora sy sasany maraina ka mifarana amin’ny 2ora sy sasany tolakandro.
Eo anelanelan’ny amin’ ny 11ora sy sasany hatramin’ ny 12ora atoandro kosa no misakafo ny atleta. Efa samy manana mpampiofana avokoa ny isaky ny taranjam-panatanjahantena.

Mi.Raz

Partager sur: