Mitohy hatrany ny ezaka fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, araka ny famelabelarana ny fandaharan’asa nataon’ny MDN, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ,omaly…
Tanjon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny hiantoka tanteraka ny fandriampahalemana amin’ny sehatra rehetra na an-tanety na ana habakabaka na an-dranomasina, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, nandritra ny famelabelarana fohifohy ny asa sy ny paikady heverina ho laharam-pahamehana ao amin’ny departemanta tarihiny. Nambaran’ity manamboninahitra jeneraly ity fa manatanteraka ny politika ankapobeny ny fanjakana (PGE) izy. Zava-dehibe ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny ezaka ataon’ny samy mpitandro filaminana (Miaramila, zandary, polisy) hanamafisana hatrany ny filaminana mba hisian’ny fitoniana. Isan’ireo asa hovinavinaina hatao ny fanamafisana ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny MDN. Eo koa ny fandraisan’andraikitry ny Foloalindahy amin’ny alalan’ny fanomezan-tanana ataon’ny miaramila amin’ireo sivily izay mila izany “action civilo-militaire” mba hanamafisana hatrany ny fahatokisan’ny vahoaka ny Foloalindahy. Nisy ny hafatra nomen’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina ny MDN ny hanamafisana ny paikady handresena hatrany ny asan-dahalo. Nambaran’ny filoha Rajoelina fa efa tonga ny helikoptera vaovao hanampy izay efa eo am-pelatanan’ny Tafika malagasy hiadiavana amin’ny tsy fandriampahalemana sady ampiasaina koa amin’ny famonjena ireo olona marary na ireo mpitandro filaminana maratra vokatry ny fifandonana amin’ny dahalo. Marihina fa helikoptera isan’ny raitra indrindra novokarin’ny orinasa Airbus ity azon’ny Tafika malagasy ity.
Jean Claude