Kianja Basikety Mahamasina: nihaona tamin’ny SENVH ny FMBB

Taorian’ny fanomezan-dalana avy amin’ny filohan’ ny Repoblika, amin’ny fahafahana mampiasa ny kianja basikety Mahamasina, ni­haona tamin’ny Sekrete­ram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao, ny federasiona malagasin’ny basikety. Niara-nandinika ny fomba hitantanan’ny FMBB ity kianja ity ny SENVH, Andria­manohisoa Gérard sy ny filohan’ny Federasiona, Ra­maroson Jean Michel. Ni­dina ifotony avy hatrany ny roa tonta nijery ny fotodrafitrasa teny an-toerana, taorian’ ny dinika natao. Tsiahivina, fampiasana tsy misy fepetra ny kianja basikety Mahama­sina ny alalana azon’ny Fede­rasiona malagasin’ny basikety. Hampiasa avy hatrany ny kianja amin’ny lalao rehetra, araka izany, ny fanda­haram-potoana, ka izany indrindra no antony nihaonana tamin’ity departemanta miandraikitra ny kianja Barea Mahamasina ity. An­koatra ny fifaninanana na­sionaly, laharam-pahamehana ny fampiasana ny kianja, ho fanomanana ny lalao iraisam-pirenena goavana miandry ny ekipa malagasy, toy ny fiadiana ny amboara eran-tany, fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, ny “Jeux de la Francophonie” ary ny lalaon’ ny Nosy andiany faha-11.

Mi.Raz

Partager sur: