Ny 21 marsa amin’ny 8 ora sy 24 mn alina no tsinana ao amin’ny antokon-kitana alahamady ny volana. Ny 22 marsa, andro voalohany amin’ny volana alahamady. Alahamady, volana voalohany amin’ny taona. Fantatra fa amin’io andro io no hankalazana ny Taombaovao Malagasy, ho an’ity taona ity. Fotoana fahavokaran’ny vary, mampiakatra ny voly eny an-tsaha…
Na tsy mbola voasokajy ho anisan’ireo vanim-potoana tsy hiasana eto Madagasikara aza ny Taombaovao Malagasy. Efa maro ny tompon’andraikitra sy mpitantana sekoly no mikarakara hetsika ho fampahafantarana sy fampitiavana ny kolontsaina malagasy ho an’ny mpianatra beazina ao aminy, isaky ny Taombaovao Malagasy.
HaRy Razafindrakoto