Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: hotendrena tsy ho ela ireo masoivoho

Anisan’ny fandaharanasan’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla ary nohamafisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly ny hanendrena ireo masoivohon’i Madagasikara, any ivelany. “Hanomboka amin’ny alarobia izao ny fanendrena ny ambasadaoro any amin’ ireo firenena tsy mbola ananantsika solontena”, hoy izy. Nambaran’ny minisitra fa tafiditra anatin’ny velirano fahatelo ary mifandraika amin’ny Planina enti-mampandroso (PEM) ny diplaomasia miompana amin’ny toekarena. Ha­petraka ny paikady sy stratejia hanamafisana orina izany, araka ny nambarany. Eo koa anefa ny fiaraha-miasa mavitrika amin’ny isam-paritra. Anisan’izany ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina. “Ha­tsaraina sy hitarina izany ary mila miasa mavitrika ho fi­tsinjovana ny tombontsoam-pirenena”, hoy ihany ny minisitra Yvette Sylla.

Manampy izany ny fifandraisana amin’ireo Malagasy miasa sy monina any ivelany sy ny hampahafantarana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy nohadinoiny ny fanatsarana ny minisitera sy ny lafiny fitantanana eo anivon’izany departemanta izany.

Synèse R.

Partager sur: