Minisitra Resampa André Haja: “Omanina ireo atleta andiany faharoa hiofana any ivelany”

Notanterahina omaly ny filankevitry ny minisitra. Nilaza ny minisitry ny Fanatan­ja­hantena, Resampa André Haja, fa hisy atleta malagasy andiany hafa hiofana any ivelany. Hisy koa ny fikarakarana ny amboaran’ny filoha. Hametraka ny paikady “Vohitra”.

“Efa mikarakara ireo atleta malagasy andiany faharoa hiofana any ivelany ny minisiteran’ny Fanatanjahantena”, hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa Andre Haja, nandritra ny fi­lankevitry ny minisitra teny Iavoloha, omaly. Natao hampivoarana sy hitazomana ny zava-bita tsara tamin’ny lalaon’ ny Nosy hatramin’izay ny fiofanana.
Hisy ny fiofanana any Dakar, Kenya ho an’ireo mpanao atletisma, any Bulgarie, Serbia ny an’ny mpilalao ba­si­kety, ary any Etazonia, Toni­zia, Afrika Atsimo, Thailand ny an’ireo mpilomano. Any Frantsa kosa ny mpanao judo. Marihina fa efa mitsangana ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy na ny COJI andiany faha-11, izay tarihin’ ny minisitra. Miara-miasa amin’ny fanjakana izy ireo amin’izany. Nanolotra fisaorana sahady ny masoivohon’ ny lalao iraisam-pirenena (CIJ) ny minisitera ary hisy ny fihaonana amin’ny roa tonta. Ankoatra izay, hikarakara he­tsika hiarahan’ireo atleta ma­lagasy sangany fahiny sy ny ankehitriny ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Natao ho fanomezan-danja ny JIOI 2023 izany. Ankoatra izay, hisy fananganana efitrano fibatana fonjamby na “Salle de musculation” sy kianja filalaovana basikety, tetikasa hiarahana amin’ireo governora manerana ny faritra.

Amboaran’ny filoha

Hisy ny fifaninanana ho­karakarain’ny minisitera no­mena ny anarana hoe « Am­boa­ran’ny filoha ». Taranja telo no hifaninanana: ny baolina kitra, ny basikety ary ny tsipikanetibe. Raha ny fanazavan’ny minisitra, hisy dingana telo ny fifaninanana: fifanintsanana eny amin’ny faritra ary izay tafakatra, hifandona amin’ ireo solontena isaky ny fari­tany. Ny lalao famaranana na “Final six” dia hatao eto An­tananarivo.
Anisan’ireo zava-dehibe noresahina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny teti­kasa “Fanoitra” izay natao ho an’ny tanora malagasy rehetra. Fampiofanana izay no­mena ny anarana hoe “Life skills Fanoitra”, izay ahitana lohahevitra dimy. Marihina fa efa maherin’ny 3000 ireo efa nisitraka ny fiofanana, ary efa maherin’ny 500 ny manaraka fiofanana eny Ankatso.

Fitia (Mpianatra asa)*

Ireo lohahevitra dimy amin’ny paikady “Fanoitra :
Kolontsaina sy vina
Fahasalamana sy fiarovana ny tanora
Fanabeazana hitandro filaminana
Fialamboly
Fandraharahana sy fanomezana asa ho an’ny tanora

Partager sur: