Hiatrika fampanoavana tsy ho ela ilay vehivavy tompona orinasa fivarotan-tena anaty internet tao Mahajanga. Ny zoma teo, tratra tao Ambalavato ity tambazotra mamoafady ity ka voasambotra tamin’izay ireo valo vavy miasa amin’izany. Sarona nandritra izay koa ireo fitaovana fampiasan’izy ireo.
Eto an-drenivohitra no fanaovan’ilay vehivavy ny tolotr’asa omeny. Namaly izany iretsy valo vavy izay avy amin’ny faritra samihafa. Misy amin’izy ireo no avy any Manakara, Sakaraha, Betroka, Vohipeno sy Sambava ary Andapa. Rehefa tonga ao Mahajanga, tazomin’ilay ramatoa avokoa ny kara-panondron’izy rehetra. Vokany, nitaraina tamin’ny fianakaviany ny iray. Ka ireo havany no nitondra ny raharaha teny amin’ny zandarimaria. “Efa te hiala tamin’io asa mamoafady io ireo tovovavy saingy tsy afa-nanoatra noho ilay kara-panondro voatazona”, hoy ny mpitandro filaminana. Ny zoma teo, niditra an-tsehatra ny zandary ka tratra am-perinasa ireo tovovavy nanoloana ireo ordinatera niasany. Voasambotra tamin’izay koa ny mpampiasa azy. Fantatra fa efa efa-bolana no nananganan’io ramatoa io ity asa mamoafady ity. Ka ireo tovovavy ireo no nampiasainy nandritra izay.
Henintsoa H.