Savate – Mada 2023: hatao any Toliara ny fifaninanana

Fantatra ny fandaharam-potoan’ny taranja Savate Boxe Française amin’ity taona 2023 ity. Any Toliara ny hanaovana ny fifaninanam-pirenena. Hotontosaina ny 24-25-26 marsa izao ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara 2023, ho an’ity taranja ity.
Tapaka izany nandritra ny fivoriambe natao tany Antsirabe ny volana janoary teo. Tafiditra anatin’ny fanapariahana sy fampandro­soana ity taranja ity no antony hanaovana azy any amin’ ny faritra, raha ny nambaran’ ny teo anivon’ny federa­siona. Tsiahivina, saika natao tany Toliara ity fivoriambe ity saingy iny novaina tatsy Vakinankaratra iny. Ligim-paritra 9 tamin’ny 12 no tonga, niatrika izany, izay mbola resy lahatra tamin’ny tatitra ka nanome fitokisana an’ireo mpikambana hitan­tana ny federasiona. Anisan’ ny nisongadina tamin’ny fandaharam-potoana natolotra ho an’ity taom-pilalao­vana ity, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Yaoundé Kamerona amin’ny volana jolay. Eo ihany koa ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny tanora, hotanterahana any Slovenie, ny 11 hatramin’ ny 16 jona 2023. Ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny Com­bat, ho an’ny juniors sy se­niors indray dia any Varazin, Croatie no hanaovana azy, ny 12 hatramin’ny 15 jolay 2023. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny “World Games”, hatao any Arabia Saoudite amin’ny volana oktobra 2023.

Mi.Raz

Partager sur: