Amoron’i Mania sy Ihorombe: nosoloina ireo governoram-paritra

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavo­loha, ny nanendrena ny Dr Ramananjarasoa Clarisse Eugenie, ho governoran’ Ihorombe. Tahaka izany koa ny nanendrena ny ben’ny Ta­nànan’Ambositra, Fomendra­za Haingo Elysette ho governoran’ny faritra Amoron’i Mania. Izany hoe, olom-boafidy nivadika ho olom-boatendry, manomboka izao. Ani­san’ireo niteraka resabe ny fomba fiasa sy ny fitantanan’ireo governora roa, teo aloha nitantana ny tany Ihorombe sy Amoron’i Mania ireo ka izao noesorina izao.
Ankoatra izany, voatendry ho governoran’i Diana, Rako­tomanga. Hitantana ny faritra Alaotra Mangoro kosa, ny Dr Ramarosandratana Guy. Ton­ga amin’ny toerana efa niriany hatry ny ela ny tenany. Efa nangataka izany toerana iza­ny, nanomboka tamin’ny lehiben’ny faritra sy ho governora izy io hatramin’izay ka izao izany vao tanteraka. Efa kestoran’ny Antenimierampi­renena, fony fitondran’ny amiraly Ratsiraka ny Dr Rama­rosandratana Guy.

Tsy mbola manana Ragova ny any Sava

Etsy andaniny, mbola voatana amin’ny toerany avokoa ireo governoran’ny faritra Bongolava, Itasy. Eo koa ny any Melaky. Samy nampitaraina ny depiote na ny olom-boafidy sy ny tomponandraikitra samihafa any amin’ireo faritra ireo ny fitantanan’izy ireo.
Tsiahivina fa mbola tsy manana governora ny any Sava, hatramin’izao, taorian’ny naha voatendry ho minisitra an’i Tokely Justin.

Synèse R.

Partager sur: