Maty voatifitry ny miaramila ao amin’ny ZDS Ikopa tao amin’ny kaominina Ambolotarakely, afakomaly, ny dahalo gagilahy iray. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny ZDS Ikopa, nandritra ny fisafoana ireo kizo fieren’ny dahalo manodidina ny tanànan’Antaniditra Andranomiady, kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe no nahavoatifitra ity dahalo ity. Fantatra fa ao amin’io kizo io ireo dahalo no manomana ny teti-dratsy rehetra mialoha sy/na aorian’ny fanafihana miaraka amin’ireo omby halatra. Anisan’ny kizo, lalana hitondran’ireo dahalo ny omby angalariny rehetra ity kizo ity ka nahatonga ireo miaramila nametraka ny paikady rehetra hahafahana mandrava sy mamaky izany. Nahitam-bokany satria tratra ireo dahalo saingy nisy ny tafaporitsaka nandritra ny fifandonana. Nifamaly tifitra tamin’ny miaramila ireo dahalo tao amin’ny kizo ka lavo ny dahalo iray. Basy iray niaraka tamin’ny bala sy antsy lava no hita teny aminy taorian’ny fisavana nataon’ny miaramila. Mitohy, araka izany, ny fampandrian-tany ataon’ny miaramila amin’iny faritra Ankazobe sy ny manodidina iny.
Jean Claude