Tranga mampahonena. Hita faty omaly teny amin’ny renirano Ivohitra ao Brickaville ireo mpianadahikely tsy hita popoka hatramin’ny alarobia tolakandro teo. Tamin’io fotoana io, nandeha nanao maloto tsy lavitra ny fokontany Ambohimanarivo izy dahikely ireto. Vita izay, nandeha nisasa teny amin’ilay renirano voalaza etsy ambony ilay zazalahikely fito taona sy ny zandriny vavy vao efa-taona. Tsy niverina anefa izy dahy ary tsy nandrenesam-baovao intsony. Niezaka nitady azy ireo ny fokonolona, nitohy ny alin’io izany saingy tsy nahitam-bokany. Omaly, olona saika handeha hanjono no nahita azy dahy natsingevan’ny rano. Nantsoina avy hatrany ny zandarimaria sy ny fokonolona. Nampandrenesina ihany koa ny dokotera eo an-toerana ka samy tonga nijery izany. Voamarina tamin’izay fa ireo zaza nifampitadiavana ireto hita faty ireto. Nilaza kosa ny mpitsabo fa maty an-drano izy ireo.
Henintsoa H.