Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa AIOLOS, omaly, momba ny fametrahana ny «Application the real Madagascar». Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Hanampian’ny kaominina ny sehatry ny fizahantany, ny trano fandraisam-bahiny ary ny trano fisakafoana izy ity. Tanjona ny hanampiana ny mpitsidika hanomana ny diany am-pilaminana.
Manampy amin’ny fahitana ny faritr’Antananarivo sy ny tolotra fizahantany ao aminy ity tetikasa ity. Toy ny famandrihana tapakilana fiaramanidina sy ny adiresin’ny hotely isan-karazany ary ny toeram-pisakafoana mampiavaka ny Malagasy sy vahiny. Ankoatra izay, ahitana ny toerana rehetra azo aleha, toy ny banky, toerana fangalana vola, ireo botika ary ny tobin’ny zandary. Ahafantarana ny vaovao farany momba ny fizahantany sy ny fitaterana ary ny famantarana ny toetry ny andro ihany koa.
“Anisan’ny zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny Tanànan’Antananarivo ny resaka fizahantany”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. “Handray ny lalaon’ny Nosy isika afaka fotoana fohy ka zava-dehibe ny fandraisana ireo vahiny mpitsidika ireo mba hahazoan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra tombony”, hoy hatrany izy. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny Veliranon’Iarivo ihany koa ny tetikasa toy izao.
Mino (mpianatra asa)