Fifidianana kaOminaly : namaly ny MMM ny Ceni

“Ny rafi-pitantanana eto amintsika, tsy ny Ceni irery no manapa-kevitra. Aza hadinoina, fa misy mbola iandrasana didim-panjakana ny asan’ny Ceni sasantsasany. Tsy manana fahefana hamoaka didim-panjakana ny Ceni.” Izay ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andria­malazaray Andoniaina, mom­ba ny fitakian’ny mpanao politika sasany, toy ny MMM ny tokony hamoahana ny datim-pifidianana kaominaly.
Raha jerena ny drafitrasa mandritra ny fe-potoam-piasan’ny Ceni, ny taona 2026 ihany no tsy misy fifidianana fa misy ihany isan-taona. Matoa namoaka drafitrasa ary nampahafantarina ny olon-drehetra ny Ceni, tsy manana olana amin’ny hoe hiatrika fifidianana kaominaly na tsia fa tena vonona.
Rariny raha amin’ity taona ity avokoa na ny fifidianana ny filohan’ny Repoblika na ny fifidianana eny anivon’ny kaominina, araka ny nambarany. Mandeha ny fanontaniana hoe: aiza ho aiza ny eo ani­von’ny Ceni amin’izany? Arakaraka ny enti-manana io. Efa vonona, ohatra, ny Ceni eo amin’ny olona. Efa mitoetra ny olon’ny Ceni. Eo koa ny enti-manana amin’ny fitaovana, vonona ny Ceni. Eo amin’ny lafiny fotoana, azo tanterahina tsara io. Mbola malalaka ny fotoana. Tsy izay fotsiny ny enti-manana, fa misy hafa
“Ny fanontaniana: vonona ve isika Malagasy, vonona koa ve ny mpitondra… ?”, hoy izy. Be dia be ny fanontaniana azo atao. Tsy ny Ceni no hamaly an’izay, fa izay tandrify azy ihany no valiany. Izay tandrify ny hafa, aleo izay hafa izay no hamaly azy.

R. Nd.

Partager sur: