“Mangataka ary mbola manamafy hatrany izahay hoe: avelao hanana ny tena fahaleovantenany ny fitsarana. Tsy idirana mpanao politika izany, indrindra ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitanarivo, teny Faravohitra, afakomaly, momba ny fisian’ny mpitsara sy mpirakidraharaha voatonontonona amin’ny tambajotran-tserasera sosialy amina raharaha tsy ara-dalàna. Nentaniny ny mpitsara isan’ambaratonga hiaina tsara ao anatin’ny hoe fanjakana tan-dalàna. Ao anatin’ny famoahana didim-pitsarana tsy hisy ny fitsabatsabahana izany.
“Teniko hatrany hoe aleo tsy manao fanambarana tsy marim-pototra, raha tsy misy fototra fahamarinana ao anatin’ny zavatra tenenina. Mba marina izay lazaina. Natao hiaro ny mpitsara ny sendikà, fa tsy hiaro be fahatany ny mpitsara ny tenako”, hoy izy. Raha misy endrika kolikoly na fitondran-tena tsy mendrika, manan-jo hanao fitoriana an’ilay mpitsara ny olona. Ny valin’izay kosa: rehefa tsy mitombina ny raharaha, manan-jo koa ny mpitsara hitory izay manao fahafaham-baraka sy fanosoram-potaka azy, ohatra. Miezaka mamantatra ny zava-misy ny sendikà, mialoha ny handraisana fepetra.
Handeha ny fanadihadiana
Ombany manana ny tenin’ny minisitry ny Fitsarana hoe hisy fanadihadiana handeha momba izany raharaha izany. Hiezaka koa ny sendikà hanamarina ny zava-misy. Misy ny minisiteran’ny Fitsarana. Any ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fanadihadiana. Iza no tokony handray fepetra? Misy rantsana maromaro eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny amin’izany fanadihadiana izany. Tsy afa-kanakana ny amin’ny fanaovana fanadihadiana ny sendikà, fa asam-panjakana mitohy ny momba ny mpitsara.
R. Nd.