Miavaka noho ny fahita hatramin’izay ! Raha ny fandraiketana anaty boky sy ny famoahana izany no nahafantarana an-dRanjatohery Harilala hatramin’izay, hiampy izany. Misokatra ny revio nomerika nampitondrainy ny anarana «Tsanganafo». Nambarany fa : «ahitana lahatsoratra momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fampahafantarana ity nosy ity, ny fomba amam-panao, ny kolontsaina, ny teny sy literatiora ary ny zavakanto malagasy» ny «Tsanganafo». Mivoaka isan-droa volana ity revio nomerika ity ary voasoratra manontolo amin’ny teny malagasy, raha ny fanazavany hatrany.
Azon’ny rehetra vakina ao amin’ny « tsanganafo. nymahefa.ca » ny laharana 00 (febroary-marsa). Famandrihana kosa no hahazoana ny laharana voalohany (avrily-mey). « Natao ho antsika rehetra liam-pahalalana ny revio Tsanganafo », hoy Ranjatohery Harilala, mpanorina sy mpitantana ary tonian-dahatsoratra. Marihina fa mpandalina sy mpampianatra tantara, mpanoratra, mpikabary, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia Malagasy izy.
HaRy Razafindrakoto