Hetsika goavana no atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpanaraka azy, sy ny mpankafy haikanto Malagasy, indrindra ny tontolon’ny fanenomana. Hisy ny fampirantina lehibe karakarain’ity ivontoerana ity ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana ny mpahay kanto mpanenona, Razakaratrimo Zoarinivo na Madame Zo. Eny amin’ny Ivontoerana vaovaon’ny Fondation H, eny Ambatomena no hanatanterahina ity fampirantina lehibe ity, ny 28 Avrily 2023. “Bientôt, je vous tisse tous,” io no lohateny nampitondraina ity fampirantina ity.Hisy ny mpahay kanto vahiny isaky ny karazany avy ho avy eto Madagasikara, hiara-hiasa amin’ny fanomezana lanja io fampirantina io. Isan’izany i Masami sy Grace Dorothée ary Amina Agueznay. Eo ihany koa ny mpitsara sy mpandrindra nasain’ny Fondation H manokana ho an’izao fampirantina izao.
Mpanenona malagasy isan’ny nanana ny naha izy azy Razakaratrimo Zoarinivo. Ny taona 2020 izy
no nandrombaka ny Prix Paritana. Fotoana vitsy taorian’izay anefa dia nodimandry izy ka tsy afaka nisitraka ny tombontsoa ho an’ny mpandresin’ny fifaninanana. Nahatsiaro ho manana adidy aminy ny fianakaviamben’ny fondation H ka izany indrindra no isan’ny anton’izao fampirantina lehibe ho fahatsiarovana azy izao. Maro ny vahiny mitolagaga amin’ny haikanto nataon-dRazakaratrimo Zoarinivo. Isan’izany i Hassanein Hiridjee, talen’ny Fondation H. Efa eto Madagasikara i Masami, mpahay kanto Japoney, sy i Grace Dorothée avy ao Cameroun. Mbola eo ampiandrasana an’i Amina Agueznay kosa ny mpikarakara. Izy izay higadona eto Madagasikara ny volana marsa.
Lin (Mpianatra asa)