Nahazo anjara amin’ny fitsarana lalao iraisam-pirenena indray ny mpitsara malagasy. Ny fifanintsanan’ny Can 2023 no hanatanterahan’i Dimbiniaina izany fitsarana izany.
Notendren’ny Kaonfederasiona afrikanina hitsara ny fihaonana eo amin’ny ekipam-pirenen’i Lesotho sy Zambia, taranja baolina kitra ilay Malagasy, Andriaroanarivelo Dimbiniaina. Marihina, mpitsara mpanampy ny toerany, izay efa manana ny fahaiza-manao ny amin’izany. Mpitsara baolina kaomoriana telo mirahalahy no miaraka aminy, izay lalao hotanterahina amin’ny 26 marsa any Johannesburg. Tombony lehibe ho an’ny solontenantsika ny mahazo fanendrena toy izao ka tsy tokony hamaivanina. Tsy ny mpitsara baolina rehetra manerana an’i Afrika ihany koa no voatendry, fa eo ny fahaiza-manaon’ilay mpitsara, izay heverin’ny Kaonfederasiona afrikanina ihany koa fa misongadina sy manatombo amin’ireo namany hafa. Etsy andaniny, manokatra varavarana ho an’ireo mpitsara baolina kitra malagasy ny fahazoan’i Dimbiniaina fanendrena toy izao, ka miankina amin’ny fahaizany maneho ny fitantanana ny lalao no mety hahazoantsika fanendrena maromaro amin’ny manaraka. Tsiahivina fa tsy vao izao no nisy Malagasy mitsara izany fifanintsanan’ny Can izany fa efa nisy maromaro tany aloha. Anisan’izany Rakotojaona Andofetra, i Abdoul Kanoso ary i Hasinjara Lionel. Ankoatra ny fifanintsanan’ny Can, efa notsarain’ireto mpitsara malagasy ireto ihany koa ny fifaninanana ho an’ny klioba toy ny Amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina sy ny “ligue des champions” an’ny Caf. Tsy ny mpitsara lehilahy ihany no efa tazana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny mpitsara vehivavy malagasy efa nitsara ny fiadiana ny amboara eran-tany U17 vehivavy sy fifaninanana iraisam-pirenena, Rakotozafinoro Pelagie.
Mi.Raz