Naiditra am-ponja, rehefa avy niaiky heloka ny lehilahy iray avy namono ny vadiny. Notsindrominy antsy ny mason-dramatoa, mbola nokapainy famaky ny lohany.
Ny tendrim-po tsy mba namana! Maty nanamparan’ny raim-pianakaviana ny hatezerany ny vadiny, ny talata lasa teo tany Port Bergé. Nolerany antsy ny voamasony, nokapainy famaky ny tarehiny, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena. “Noroahin-dramatoa ilay lehilahy vadiny satria tsy an’asa izy io”, hoy ny fanazavan’ny zandary hatrany. Ilay renim-pianakaviana sy ny zanany vavy vao efa-taona, araka izany, no miara-mipetraka. “ Tsy nahazaka io fandroahan’ny vadiny azy io, nitady hevitra ilay raim-pianakaviana hidirana ao amin’ izy mianaka. Nandà azy hatramin’ny farany anefa ilay vadiny ka antony nitarika ny fikasihan-tanana”, hoy ny fanamafisan’ny zandary namarana ny fampitam-baovao. Rehefa nahavita ny habibiana natoany, navelan’io lehilahy io tao an-trano ilay vatana mangatsiakam-badiny sy ny zanany vavy. “Nifindra natory tamin’ny olona tao amin’ny faritry ny hopitaly iasan’ny vadiny ihany izy”, hoy ny zandary nanao famotorana Iray andro taorian’ny nahafatesan’ilay mpampivelona, tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny trano fonenany dia voasambotra ilay rangahy. Niakatra fampanoavana, afakomaly ka naiditra am-ponja. Efa niaiky ny heloka vitany izy.
Marihina fa tsy nitolo-batana avy hatrany ilay raim-pianakaviana raha vao nahafaty ny vadiny. Mbola natory tamin’ny fianakaviana iray, tao amin’ny hopitaly niasan-dramatoa izy. Ny mpiray vody rindrina nahatsikaritra ny tranga, nahita ny fahafatesana no nampandre ny mpitandro filaminana. Nisokatra ny fanadihadiana, niafara tamin’ny fakana am-bavany sy ny famonjana.
Tsiferana R.