Mpangalatra taribin-jiro : jiolahy 6 naiditra am-ponja

Olona enina tamin’ireo sivy tratra no naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka, omaly, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny telo. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taribin-jiro sy fitaovan’ny orinasa BETC Jiro kanto mpiara-miombon’ antoka amin’ny Jirama ireto tratran’ny zandary tao Tsa­rahonenana Ambatondrazaka ireto. Halatra niteraka fahatapahan-jiro matetika tany an-toerana. Misy amin’ireto tratra ireto no atidoha nikotrika, ao kosa ireo mpiray tsikombakomba. Fantatra fa ankoatra ny fitoriana nataon’ny orinasa niharan’ny halatra, nanao fanangonan-tsonia koa ny ben’ny Tanànan’Imeriman­droso sy ny fokonolona ny hampidirana am-ponja ireo nahavanon-doza. Natolotra ny fampanoavana izy ireo ka izao naiditra am-ponja vonjimaika izao ny olona enina. Na eo aza anefa izany, manahy ny mponina ao an-toerana satria milaza ho mahafantatra olona ambony hiaro azy ireo ao
amin’ny fitsarana Ambaton­drazaka ireto voarohirohy ireto. Nomarihin’ny zandary fa efa nahavitan’izy ireo vilany ireo tabirin-jiro halatra ireo. Ny orinasa Jirama, ma­nao antso avo amin’ny fanjakana mba tsy handefitra amin’ny tranga toy izao satria manohintohina ny fiainan’ny mponina noho ny fahatapahan-jiro.

Jean Claude

Partager sur: