Nanararaotra rivodoza: jiolahy iray lavo, dimy azo sambo-belona

Nanararaotra ny fandalovan’ny rivodoza, jiolahy iray maty voatifitra ary efa-dahy voasambotry ny polisy teo am-pamakiana «quincaillerie», tao Ampasambazaha- Fianarantsoa, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Nifanehatra tampoka tamin’ny polisy manao fisafoana amin’ny alina ireto jiolahy mitam-piadiana, nikiry handositra avy hatrany ireto farany. Nasain’ny polisy nijanona saingy nanohy ny fitsoahana ihany. Raikitra ny fifandonana. Vokany, lavo ny iray ta­min’ireo jiolahy. Voasambotra ny efatra namany.
Namaky fiangonana
Ankoatra ireo efa-dahy voasambotra sy ilay iray voatifitra, tra-tehaka koa ny iray tamin’ireo jiolahy namaky fiangonana tao Ambatomena. Efa nigadra any am-ponja ireo roa lahy naman’ity jiolahy sarona ity. Raha tsiahivina, nobatain’ny jiolahy telo lahy ny zavamaneno tao am-piangonana ny alin’ny 13 janoary teo. Taorian’ny fanadihadian’ny polisy, noraisim-potsiny ny atidoha nikotrika sy ny namany iray hafa namaky ilay fiangonana ny faran’ny volana janoary teo.

Tsiferana R.

Partager sur: