Sarotra ny fandidiana !

Dila tanteraka ny rivodoza Freddy. Anatin’ny fanisana ny traboina sy fanombanana ny zavatra simba isika, ankehitriny. Efa nanao be midina tany amin’ny distrika tena voa-mafy ny iraky ny Filoham-pirenena. Nanao vonjy ranovaky, nitondra izay voa tsy rambin’ny tanana. Efa any an-toerana, mitondra izay vitany koa ny ankolafy sy vondrona samihafa, na olon-tsotra na mpanao politika.
Manoloana ny voina, tsy maharaka ny famonjena. Ny toerana hipetrahan’ny traboina aza tra-boina ihany koa ! Toy ny ao amin’ny kianja manara-penitra ao Mananjary.
Miandry ny fanampiana sy fanarenana avy amin’ny fanjakana foibe ny mponina. Miraviravy tanana tanteraka ireto farany. Sarotra ny fandidiana ! Ny fitondrana ianteherana rahateo aza kofona nialoha ny rivodoza. Manahirana ny hoenti-manana satria ny famatsiam-bola avy any ivelany mihitsoka avokoa. Ny eto an-toerana, vao manomboka ny fandraisana ny karazan-ketra sy ny saran’ny fadin-tseranana. Ny loharanom-bola hafa, tsy misy. Samy mahantra ny vahoaka sy ny fanjakana.
Na inona na inona tsy fahampiana, mila mikiry sy mitady ny fomba rehetra ny fitondrana foibe. Antony, tsy takona afenina ny ankabeazan’ny mpitondra izay manontany ny ory, manankarena mihoapampana. Tsy sanatrian’ny vava, miditra amin’ny tsy tokony hidirana fa mibaribary toa vay an-kandrina ny elanelan’ny mpitondra sy ny vahoaka entina. Ny tatitra farany avy amin’ny Banky iraisam-pirenena milaza fa mihoatra ny 81,2 %-n’ny vahoaka malagasy miaina anaty fahantrana lalina amin’ity taona 2023 ity. Firifiry anefa ny trano mijoalajoala etsy sy eroa, voalaza fa an-dranona na an-dranona, na farafaharatsiny an’ny havan-dranona.
Tsy sanatrian’ny vava, mamendrofendro fa zava-dehibe ny fisintonana lakolosy mba hisian’ny tsaratsara kokoa. Efa anaty voina lalina sy fahoriana mangirifiry rahateo ny Malagasy. Mila fahatongavan-tsaina sy fandraisana andraikitra misimisy kokoa. Tsy azo atao ny mijery arina an-tava fa atsipy hatrany ny teny ho ao am-pon’ny mahalala. Fotoana tsy maintsy hamohazana ny fahatsapan-tenan’izay heverina fa manan-komena izao, hifampitsinjovana amin’ny mpiray tanindrazana.
Marina fa ny valala tsy an-tanana, tsy atolo-jaza ! Saingy zava-dehibe ny finiavana hanome izay kely vita ho mariky ny fifankatiavan’ny samy Malagasy. Hanamafy hatrany ilay soatoavina sy ny firaisankina mampiavaka antsika.
Mandalo fotoan-tsarotra ny vahoaka malagasy, saingy ny entan-jarai-mora zaka ! Ny erikerika no mahatondra-drano koa entanina samy hitondra izay mba vitantsika isika ho an’ny mpiray firenena !

r.r

Partager sur: