Slam Poésie: hiantsehatra ny klioba Slamis

Hotanterahina ny asabotsy 25 febroary 2023, eny amin’ny Kinga, trano fisakafoana, eny Mahamasina ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Slamis. Vondrona iray miorina eo anivon’ny oniversite U-magis Masina Misely Ampa­ribe, miangaly ny Slam Poésie ny Slamis. Tanjona ny fampivondronana ny tanora mpianatra eo anivon’ity sekoly ity, tia sy mankafy Slam.
Fandraisam-pitenenana, seho an-tsehatra. Ireo no handravaka ity hetsika ity. Fo­toana voalohany hisehoan’ny Slamis sy ny mpikambana ao aminy eo amin’ny sehatry ny matihanina kokoa io fotoana io. Ny volana novambra 2022, no niforona tao amin’ny U-magis Masina Misely Ampa­ribe, ny Slamis. Nisy ny atrikasa nataon’ny mpikambana vitsivitsy, nanasana ny mpahay Slam, voasokajy ho sangany.
Efa vonona ny handray anjara amin’izay fifaninanana karakarain’ny Madagaslam, afaka handraisany anjara ny Slamis. Tsapa tokoa izao fa efa manomboka manana ny maha izy azy, ary mitombo ny mpankafy sy mpiangaly ny Slam. Ny Madagaslam, in­drindra ny Madagaslam Section Tana na MST, izay mikarakara hetsika hatrany ho fampiroboroboana ny Slam Poésie eto Madagasi­kara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: