Tsenan’ Anosibe : nihaino ny olan’ny mpivarotra ny ben’ny Tanàna

Nidina ifotony teny amin’ny tsenan’Anosibe ny ben’ny Ta­nànan’Antananarivo Renivo­hitra sy ny mpiara-miasa ami­ny, afakomaly. Nijery ny zava-misy sy ny olan’ny mpivarotra ary ny fandrosoan’ny asa fa­namboarana sy fanavaozana teny an-toerana izy nandritra izany.
Fotoana nanaovan’ny fi­kambanan’ny mpivarotra tatitra tamin’ny ben’ny Tanàna io fotoana io. Nilaza ny fikambanan’ny mpivarotra fa nisy fiovana ny tsenan’Anosibe raha oharina tamin’ny roa taona lasa. Toy ny fametrahan-jiro mitentina 8 tapitrisa Ariary. Teo koa ny fanatsarana ny tse­na, ny fanaromana ny “dalle”, ny fanentsemana ireo lavaka teny an-toerana ary fanadiovana matetika ny tsena. Nohama­fisin’izy ireo fa manaiky ny “digitalisation” eo anivon’ny tsena izy ireo. Satria manome tombontsoa maro ho an’ny kaominina izany. Mise­ho amin’ny alalan’ny fidiram-bola ao amin’ny kitapom-bolan’ny kao­minina, araka ny fanambarana hatrany.
Manoloana ny fahasimban’ny tsenan’Anosibe noho ny famaizana tamin’ny taon-lasa iny. « Nanome simenitra sy vato ny kaominina tamin’ny fanamboarana izany », hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra ao amin’ny tsenan’ Ano­sibe (FMTA). Nahavitana velarana mahatratra 280 metatra toradroa izany. Nohama­fisiny fa mbola misy hatramin’ny 700 metratra toradroa ny asa fanamboarana mbola tsy vita ka ilana fanampiana. Tanjona, hoy izy, ny ho tsena madio sy mamiratra ary ho mendrika amin’ny maha tsena lehibe azy ny tsenan’Ano­sibe. Marihina fa namaly ny fitarainan’ireo mpivarotra ihany koa ny ben’ny Tanàna nandritra io fotoana io.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: