Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray nahavita nikasi-tanana an-dreniny tao Ambatomanga, ny alatsinainy teo. Nifamaly tamin’io reniny niteraka azy io ny zanany mirahalahy. “Tsy salama saina firy anefa ny zokiny. Nipetraka tsy nanao na inona na inona araka izany izy”, hoy ny fianakaviany. Vokatry ny fifamaliana noho ny fahasimban’ny bisikileta tao an-trano, nanohitra io reniny io ilay zanany lahy faharoa. “Tsy hay intsony na nifoka inona izy. Raha olona milamina izy tsy tokony hikasi-tanana ny reniny”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Naratra mafy teo amin’ny tarehiny ilay renim-pianakaviana. Nentina notsaboina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ity farany. Nosamborina ilay zanaka namoa-doza. Nentina teny anivon’ny mpitandro filaminana io lehilahy io taorian’ izay. Notanana am-ponja vonjimaika izy miandry ny fotoam-pitsarana azy ny 19 marsa ho avy izao.
Tsiferana R.