Ampangabe-Anosipatrana : mpamaky trano noraisim-potsiny

Intelo voatondro ho namaky ny tranon’ny mpiray vodirindrina aminy, nidoboka am-ponja ny lehilahy iray voasambotra tetsy Ampangabe – Anosipatrana, ny alarobia teo. Nipetraka tao amin’io trano nangalarany io ity lehilahy ity talohan’ny mpanofa vaovao. Tsy niova ny hidin-trano ka nanararaotra izany izy rehefa tsy nisy olona tao an-tanàna. “Nalainy ny fera fipasohana sy ny boatin-drakitra, ny 13 febroary teo”, hoy ny lasibatra. Telo andro taorian’io, nidiran’io mpangalatra io an-keriny indray ity tokantrano mifanila aminy ity. Lasany tamin’izany indray ny vola sy ny fitaovana fikarakarana volo mandeha amin’ny herinaratra. “Mbola niverina fa­nintelony izy saingy nisy na­hatsikaritra izany”, hoy ilay voaroba. Niroso tamin’ny fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ity farany. Vokany, voasambotra ny lehilahy ka natao fanadihadiana. Nandà hatramin’ny farany izy kanefa tra-tehaka teny aminy ireo entana halatra. Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha. Andrasana ny tohiny.

Tsiferana R.

Partager sur: